Andro Manerantany ho an'ny Fahaiza-manaon'ny Tanora

:tada:Andro Manerantany ho an’ny Fahaiza-manaon’ny Tanora : Manan-danja ny fampiofanana mialoha ny firotsahana an-tsehatra

Ankalazaina isa-taona ny Andro Manerantany ho an’ny Fahaiza-manaon’ny Tanora. Isany manana ny anjara toerany tokoa ny fananan’ny zatovo sy ny tanora traikefa sy fahaiza-manao. Ny Fikambanana Focus on Youth Madagasikara dia mampiroborobo ny fandraisana anjara sy firotsahan’ny tanora an-tsehatra eny amin’ny tontolo misy azy. Ahafahana mampahomby izany firotsahana an-tsehatra izany dia manan-danja ny fampiofanana. Koa isaorana ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka nanohana ara-tekinika tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Fikambanana Focus on Youth Madagasikara nandritra izay 5 taona niorenany izany. Maneho hatrany ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena ny Fikambanana Focus on Youth Madagasikara.

:writing_hand:Faly Iharisoa Rajaonarivelo

#WorldYouthSkillsDay2022
#FYM