Fanerena hifindra section dia miova hatramin'ny asa

Tranga iray nihatra tamin’ny DS (Delegue Syndicale) namana iray tato amin`ny orinasa.

Niharan’ny halako bika tsy tiko tarehin’ny lehibe ity namana ity ka noterena an-kolaka hifindra section, izany hoe ilay section nisy azy mbola miasa soa aman-tsara fa terena izy hifindra section hafa ao anatin’ny orin’asa ihany. Marihina fa tsy misy miova ny mahakasika azy (karama / classification sns…) fa ny section sy ny asa atao no miova.

Tsy mankasitraka ny famindrana azy anefa ity namana ity.

Rariny ve ny an’ny orin’asa, raha tsia ! Inona no tokony atao ?
Sa ve tokony hanaiky fa hoe fandaminana hono izany raha ny filazan’ny service personnel ary raha toa ka mandà dia heverina ho toy ny insubordination.

Misaotra tompoko mamaly.

Salama @Andriantsito

Raha fandaminana no tena anton’ny famindrana, azon’ny mpampiasa atao tsara ny mamindra ny mpiasa rehetra ao anatin’ny orin’asany mba ahafahany manatratra ny tanjony.

Fa saingy raha mahatsapa sy manana porofo kosa anefa io mpiasa izay mpikambana ao amin’ny « délégué syndicale » io fa tsindry ataon’ilay mpampiasa ilay fanapahan-kevitra noho izy ho isan’ireo mpikambana DS dia azon’io mpiasa io atao tsara ny mampiakatra ny raharaha eny anivon’ny Inspection du travail mametraka ny fitoriana.

Satria arak’izay voalaza ao amin’ny andininy faha 141 ny lalàna mifehy ny asa dia tsy azon’ny mpampiasa atao ny manao tsindry ny syndicat.

Mandra-piandry ny valin’ny raharaha anefa dia tsara raha manaraka ny fandaminana aloha io mpiasa io, ahafana misoroka an’io insubordination izay nolazainy io.

1 « J'aime »

Misaotra tompoko tamin`ny valinteny sy ny toro-hevitra.

1 « J'aime »