IRSA de 10% ou 20% pour les enseignants?

Miarahaba anao Madame Fabiola,

Ho an’ny Mpampianatra, misy ny milaza hoe 10 % ny IRSA fa tsy 20 %, iza no marina azafady ?
Ary raha manana carte d’impôt ve dia tsy hakana impôt intsony any amin’ny toeram-piasana ?

Mankasitraka tompoko

Miarahaba Koloina,
Eny tompoko misy régime spécial ny mampmianatra, raha ohatra ka « à titre exceptionnel » ilay asa mpampianatra
ohatra: karama azo tamin’ny fanaovana « cours supplémentaire », « heures supplémentaires » tamin’ny fihambenana sy fitsara concours… dia mahazo réduction d’impot amin’ny karama mifandray amin’ireo asa ireo ihany izay 10%.
Carte inona moa izay resahinao izay azafady.
Misaotra indrindra

Mankasitraka tamin’ny fanazavana :slight_smile: .

Izany hoe raha mpampianatra vacataire izy izany dia tokony 20% ihany ny IRSA ?
Ny tiako lazaina amin’ilay hoe carte, raha manana NIF & Stat ilay olona (ohatra hoe mampianatra ihany) dia izy ihany no mandoa ny impôt-ny ?

Mankasitraka

Miarahaba Madame Fabiola,

Mankasitraka anao tamin’ny fanazavana. Raha ohatra ka hoe mpampianatra vacataire no statut-ny ve izany dia tokony 25% ihany ny IRSA ?
Ny tiako lazaina amin’ilay carte kosa dia raha hoe efa nahazo an’ilay carte NIF & Stat.

Misaotra tompoko