Droits d'un employé qui a été identifié comme ayant consommé de l'alcool après le repas en entreprise

Miarahaba tompoko,

Tranga nahazo ny namana iray tato anatin’ny orinasa iasako.

Nahenoana fofon-toaka izy rehefa niditra avy nisakafo atoandro ny zoma 29/09/23 (marihiko ivelan’ny orinasa ny cantine, izany hoe afaka mividy sy mihinana izay tiana ny mpiasa fa voafaritry ny ora fakana aina).

Natao ny Test d’alcool dia voamarina tsara izany. Nanao ny tatitra mahakasika izay ny sécurité ka nampanantsoina tany amin’ny birao izy ny androtr’io zoma io ary dia nahazo taratasy fiantsoana momba ny vinavina fanapahana ny fifanekena araka’asa ny alarobia 04/10/23 tamin’ny 2ora sy sasany.

Ny andro alatsinainy ka hatramin’ny alarobia dia nasaina tsy niasa izy fa hoe congé exceptionnel. Rehefa vita ny codis ny alarobia dia mbola notohizana ny congé fa ny zoma 06/10/23 amin’ny 4ora ny valin’ny codis.

Omaly alakamisy hariva anefa dia efa henoko tamin’ny tompon’andraikitra iray fa hoe tsy avotra intsony io namana io.

Fanontaniana :

  • Mbola misy azo hatao ve ho fiarovana azy ?
  • Raha tsia, inona no tokony hataony mahakasika ny zony amin’ny maha-CE am-perin’asa azy ?
  • Manao ahoana ny resaka fanarahan-dalana amin’ny fandroahana azy sy izay tokony ho fantatra ?

Misaotra tompoko.

Salama @Andriantsito

Araky ny lalàna laharana 2003-044 ao amin’ny andininy faha 165 mahakasika ny lalàna mifehy ny asa eto Madagasikara, ny fandroahana ny mpikambana ao amin’ny « Comité d’Entreprise (CE) » dia tsy maintsy mandalo eny anivon’ny « Inspection du travail », ary rehefa afaka 45 andro, dia tokony hiditra an-tsehatra izy ireo.

Raha toa ka tsy heken’ny eny amin’ny « inpection du travail » ny fandroahana io mpiasa io dia foana manaraka izany ihany koa ny fandroahana izay nokasain’ny mpampiasa ho tanterahina.

Ary rehefa foana izany dia tokony haloan’ny mpampiasa ny karama sy ireo karazana zo izay tokony nositrahan’io mpiasa io nandritra ny fotoana izay nanajanonana azy tamin’ny asany, ary mety hisy onitra ho aloan’izy ireo mihintsy aza amin’izany.

Ny zavatra tokony ho atao voalohany indrindra dia ny fiverenana mamaky izay voalaza ao amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny orin’asa ianareo, izany dia ahafahana mamantatra raha anisan’ireo voasokajy ho anisan’ny « faute lourde » ny fahenoana fofon-toaka ao anatin’ny toeram-piasana izay misy anareo.

Marihako tsara anefa fa mihatra io lalàna izay novelariko tetsy ambony io na amin’ireo antom-pandroahana voasokajy ho « faute lourde » aza.

Eo anelanelan’izay fotoana izay azo atao tsara ny manantona mpisolo vava na ireo sampan-draharaha maro samy hafa amin’ny fiarovana io mpiasa io.

Indro alefako eto amin’ny sary ny voalazan’io lalàna io :

Mankasitra indrindra tompoko.

1 « J'aime »

Salama tompoko,

Nampihatra ny article165 amin’ny code du travail ny orinasa tamin’ilay tranga-na fahenoana fofon-toaka tamin’ny membre CE iray izay efa voalazako etsy ambony. Izany hoe miandry ny fanapahan-kevitry ny Inspection de Travail mandritra ny 45 andro farafaha-betsany.

Raha toa ka tsy heken’ny eny amin’ny « inpection du travail » ny fandroahana io mpiasa io dia foana manaraka izany ihany koa ny fandroahana izay nokasain’ny mpampiasa ho tanterahina.

Ary rehefa foana izany dia tokony haloan’ny mpampiasa ny karama sy ireo karazana zo izay tokony nositrahan’io mpiasa io nandritra ny fotoana izay nanajanonana azy tamin’ny asany, ary mety hisy onitra ho aloan’izy ireo mihintsy aza amin’izany.

Raha toa kosa anefa ka hankatoavin’ny Inspection de travail ny fandroahana ity membre CE ity dia inona no mety ho azony amin’ny zony ?

Afaka mba mahazo ny fomba fi-calculena ny STC ve ? :

  • Niditra niasa : 01/03/18
  • Catégorie : OS3
  • SB = 249 100 Ar
  • Reste congé = 30 jours

Misaotra indrindra tompoko.

Salama,

Raha toa ka hankatoavin’ny eny amin’ny inspection du travail ny fandroahana io mpiasa io, ny zony amin’izay fotoana izay dia misitraka ny zo rehetra araka ny voalaza ao amin’ny lalàna mifehy ny asa ilay mpiasa, toy ny fahazoany certificat de travail, sy ny fahazoany ny Solde de tout compte-ny.

Eto dia tsara ny manamarika fa mety tsy ahazo ny « indemnité de préavis » sy ny « indemnité de licenciement » io mpiasa io raha toa ka raisin’ny mpampiasa ho « faute lourde » io fahamamoana nandrintra ny ora niasana io, izany hoe raha sanatria ka izay no hitranga dia ny ambina karama nandritra ny fotoana niasana, ny « indemnités de congés » sy ny « certificat de travail » sisa no zo sitrahan’ilay mpiasa (Article 22 ao amin’ny lalàna mifehy ny asa).

Tsy afaka ny hikajy ny STC an’io mpiasa io izahay raha tsy efa azony ny taratasy fandroahana azy, satria manomboka amin’ny fotoana izay handraisany ny taratasy fandroahana azy no manomboka ny fikajiana ny préavis sy ny hamaritana ny fotoana izay hiatoan’ilay mpiasa amin’ny asany tanteraka eo anivon’ilay orin’asa.

3 « J'aime »

Salama tompoko,

Nandalo teny amin’ny Inspection de Travail ity tamin’ny alatsinainy 27/11/2023.

Raha araka ny nolazain’ny ankizy voakasika dia nilaza ny Inspection de Travail fa tsy mety ilay taratasy fiampangana ilay mpiasa saingy niteny izy mba hanaovana arrangement (Mpiasa sy Mpampiasa), nanambara ny societe fa tsy mbola Licencié ilay mpiasa.

Tsy haiko na marina na diso ny fihevitro :

  • Tsy mbola voaroaka ilay mpiasa ary tsy nanaiky ny fandroahana azy ny Inspection de Travail.
  • Tsy tokony ho raisiny ve ilay zony 45j ?
  • Raha toa ka hanaiky ilay arrangement ihany ilay mpiasa, inona avy no zo tokony hositrahiny ?

Misaotra tompoko.

Salama @Andriantsito

Arak’izay efa voalaza tetsy ambony, satria foana izany ilay fanapahan-kevitra, izany hoe tsy neken’ny teny anivon’ny Inspection de travail dia tokony haloan’ny mpampiasa ny karama sy ireo karazana zo izay tokony nositrahan’io mpiasa io nandritra ny fotoana izay nanajanonana azy tamin’ny asany. Ary mety hisy onitra ho aloan’izy ireo mihintsy aza amin’izany.
Fa ny famaritana ny onitra dia ny eny anivon’ny inspection ihany no afaka manapaka izany.

Noho izany raha manaiky ny fifanarahana ilay mpiasa, azony atao tsara izany ny mangataka ny fanonerana ny karamany izay nifandraika tamin’ny andro izay tsy niasany raha sanatria ka tsy manao izany ilay mpampiasa.

2 « J'aime »

Ny vaovao farany izany dia tsy hitazona azy ny mpampiasa fa ho alefa izy.
FANONTANIANA :
Ankoatran’ilay zo 45 jrs ho alohan’ny orin’asa, inona avy no tokony ho alohan’ny orin’asa amin’ilay mpiasa ?
Marihiko fa 5 taona niasa izy ary OS3 / SB 249 000ar ary 30jr ny congé ambiny, nifarana omaly 28/11/23 ny fifanaraham-piaraha-miasa saingy amin`ny alatsinainy 04/12/23 izy no nasainy niverina.

Mankasitra indrindra tompoko,

Re @Andriantsito

Tahaka ny mpiasa rehetra voaroaka, tokony hisitraka ny ambina karamany, ny indemnité de congé izay mbola tsy nalaina, ary tokony ahazo ny fanamarinana ny naha mpiasa azy tao amin’ny orin’asa (certificat de travail).

Tsara raha afaka miverina mamaky ilay andinin-dalàna npmeko etsy abony ianao ahafahanao mamantatra tsara ny zo ananan’ny mpiasa ao anatin’ny Comité d’Entreprise arak’izay voalaza ao amin’ny lalàna mifehy ny asa.

1 « J'aime »

Misaotra indrindra tompoko.

1 « J'aime »