Licenciement économique et Chômage Technique

Salama ho atsika rehetra.

Mba saika angataka fanazavana fanampiny kely momba ny Licenciement économique sy ny chômage technique.

Raha toa ka ny société iray Ka sendra ny olana goavana eo amin’ny resaka production, ary mihena be ny vola miditra ka sendra olana ara-ekonomika (ara-bola), ka hiditra tamin’ny resaka chômage technique. Ny antony satria mieritreritra ny ampiakatra io production io ihany ao anatin’ilay 06 mois voafaritry ny lalàna.

  1. Izany olana izany ve ahafahana miditra amin’ny resaka chômage technique ho an’ny mpiasa sasany izay lasa tsy misy asa intsony noho ny tsy fisian’ny production.
  2. Ny inspection du travail miteny hoe tokony licenciement économique no atao, kanefa raha toa ka miatsara tampoka ny production ka mila olona indray dia mety ny inspection ihany no hiteny avy eo hoe « abusif » indray ilay licenciement économika satria tsy maintsy hanao recrutement indray.
  3. Raha ohatra ve aloan’ny hidirana chômage technique no mangataka ny mpiasa izay voakasik’io chômage technique io ny ho ajanona amin’ny asany dia raha manajanona ny mpampiasa noho io fangatahana io ahoana ny fipetraky ny droit an’ny mpiasa ?

Raha toa ka ny mpiasa no manao fangatahana, azo lazaina ho démission ve izay : ahoana ny resaka préavis ?

Ny inspection manamafy fa noho ny situation ekonomika misy no mahatonga ny mpiasa te hijanona, izany hoe mipetraka foana ilay indemnités de licenciement izany. Izay ve no tokony ho izy ?

  1. Raha toa ka tsy manaiky ny handray ilay lettre de notification chômage technique ny mpiasa, ahoana ny tokony ataon’ny mpampiasa.

Ny inspection du travail nangataka information complémentaire fotsiny fa tsy nanome avis. Midika ve izay fa « silence de l’inspection » ary midika ho fanekena ilay chômage technique. Izany hoe mandeha chômage ireo izay voafaritra ao anaty liste izay efa validén’ny délégué du personnel ?

  1. IMPORTANT : ny article 13 ny Code du Travail dia manamarika fa :

Le chômage technique se définit comme étant toute interruption collective du travail résultant de causes conjoncturelles ou accidentelles telles que des accident survenus aux matériels, une interruption de la force motrice, un sinistre, une pénurie accidentelle de matière première, d’outillage et moyens de transport

Raha vao mivoaka amin’ireo ve izany dia tsy mety ny chômage technique, ny inspection du travail dia mametraka an’izay. Ny diminution na production mahatonga fahasahiranana ara-ékonomika sy tsy fisian’ny asa ho an’ny mpiasa sasany ve dia tsy tafiditra amin’ny hoe « causes conjoncturelles » na koa « pénurie de matières premières » satria io production io no vokarin’ny fiasana ary ataony exportation ?

Maromaro ny fanontaniana manitikitika ary mba tiana ahazoana fanazavana fa ireo aloha no tena mety manan-danja.

Raha mba afaka misy manome valiny araka ny fanontaiana izay napetra.

Mankasitraka sahady.