Tranga misy ato anatin’ny orinasa misy anay ankehitriny, mba hangatahana soso-kevitra.
Volana Novambra sy Desambra 2022 izahay dia tsy nadray volan-jaza.
Janoary, Febroary, Martsa, Aprily, May, Jona 2023 indray dia niverina ara-dalàna saingy tsy nisy rappel ireo volan-jaza tsy voaloa teo aloha.
Ny volana Jolay, Aogositra, Septambra 2023 dia niverina tsy nandray indray izahay.
Oktobra 2023 dia nandray saingy tsy nisy rappel.
Novambra dia tsy nandray.
Marihina fa efa mivoaka matetika any amin’ny revendication’ny délégué de personnel io resaka CNaPS io.
Nilaza moa ny tompon’ny orinasa homban’ny mpitantana ny orinasa fa ny fototry ny olana dia ilay TAMBERIN-KETRA na TVA tsy averin’ny Fanjakana.
Efa nisy hono ny fifanantonana sy fifanarahana satria hoe ny DGI sy ny CNaPS dia samy orinasam-panjakana ka tokony mifanaraka izy ireo.
Nangataka fanampiana arak’izay azo hatao amin’ny CE sy ny DP moa ny orinasa amin`izay fifampiraharahana izay.
Mba mangataka soso-kevitra na fanampiana tompoko raha mba misy ho entina manafaingana sy mamaha ity olana ity.
Raha ny fahalalako azy, ny fandoavan’ny CNaPS ny volan-jaza any amin’ny mpiasa dia miankina tanteraka amin’ny fandoavana ny mpampiasa ny « cotisation eny anivon’ireo sampan-draharahan’ny CNaPS ».
Noho izany raha mandoa ara-dalàna ny latsak’embokany ny orin’asa dia tokony hisitraka izany, ary raha misy ny fahatarahana dia tokony ho efain’ny CNaPS izany amin’ny fotoana mahamety azy.
Ny soso-kevitra avy aty amiko dia tokony mihezaka manatona ireo délégué de personnel sy ireo sampan-draharaha maro samy hafa ireo mpiasa voakasika amin’io tranga io, ahafana mahita ny vaha-olana.
Azo atao tsara ihany koa ny manantona mivantana eny anivon’ny CNaPS raha te-ahalala sy ahazo fanampim-panazavana mahakasika io trangana fahatapahan’ny fandoavana volan-jaza io, fa ilaina ny mitondra ny karatra maha-pikambana an’ny CNaPS raha manantona mivantana any ny mpiasa voakasika.
Ny tsara marihana dia arotsaky ny CNaPS any amin’ny compten’ny orinasa ny vola dia avy eo ny orinasa no mitsinjara izany amin’ny alalan’ny « Bordéreau d’Allocation Familiale » izay voarainy avy any amin’ny CNaPS.
Izany rehetra izany no mahatonga ahy nanolotra ny soso-kevitra tetsy ambony hoe raha afaka manantona ny sampan-draharahan’ny CNaPS ireo mpiasa voakasika amin’io tranga io dia tsara ny mandeha any.